Chapitre1

Chapitre 1. Ny maha zava-dehibe ny fandinihina ny andro farany ho an'ny kristianina




Visty tokoa ny olona mba mandinindinika ny farandro satria otrany hoe mampatahotra foana no fonosiny izany.

Matetika rehefa resaka farandro dia ny Apokalipsy no tadidy ao antsaina voalohany.

Tsy ny bokin'ny Apokalipsy irery no milaza momba ny farandro fa ny boky rehetra antsoina hoe : livres apocalyptiques (Daniel,…), ny 4 évangiles, etc...maro izy.



Misy matahotra mamaky ny apokalipsy fa manambara loza sy bibidia hono...

Marihina fa izy irery ao @ Baiboly no boky manomboka amin'ny :


Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.” Apok 1 : 3


Ary miafara amin'ny :

Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo. Amena. ». Apok 22 : 21



Raha ny tokony ho izy dia mila mivavaka isan'andro isika mba ho avy faran'izay haingana ny Tompo (Maran'atah !) satria (1) izay ilay fanantenana lehibe ary koa (2) mba tsy hitoetra ela loatra ny ratsy eto an-tany.



Maro amintsika kristianina no miheritreritra fa efa milamina, ary mety halaimpanahy hanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay! satria tokoa efa nahazo “invitation officielle” sy efa misy réservation folo.



Jereo : La parabole des 10 vierges dans Mat. 25 : 1- 13

Au verset 11 : Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.

Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.



Io fampianarana io dia mifono lesona 3 :

- Mila conscient en permanence ny olona fa mandalo izao fiainana izao ary misy fiafarany ny eto an-tany, misy fetra ny tantara (un début de l'histoire et une fin) ; indrindra indrindra tsy fantatra hoe rahoviana no tapitra satria izany dia manaraka ny plan' A/tra


- Voafetra ny isan'ny olona voavonjy fa tsy illimité akory (izay voasoratra ao anatin'ny Boky ny fiainana ihany)


- Misy 50 % eo ho eo ny kristianina ho very satria variana tsy niambina.

Efa kristianina moa ianao sa tsia ?



Io Parabole io dia misy hevitra somary miafina rehefa ampifandraisina @ ilay verset hoe :



Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena (miareta tory), ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.” Marc 13 : 32 - 33



- Nul ne connaît ni le jour ni l'heure ; en d'autre terme : peut être pouvons nous identifier l'époque (ou l'année) !


- Rehefa feno ny isa dia mijanona ny compteur : la fin des temps peut s'agir d'un « numerus clausus » que d'un intervalle de temps précis prédéfinis à l'avance (ce n'est serait pas une date précise donc) mais d'un « nombre calculé » d'élus prédestinés à être inscrits dans le Livre de Vie selon le Desseins du Créateur qui conditionne la consommation du temps (= le 1er retour de notre Seigneur Jésus Christ = l'Enlèvement de l’Église avant la grande tribulation).



D'ailleurs nous sommes amenés clairement à « veiller » et à « prier » !



Le principe est donc le suivant :

L'important n'est pas de connaître la date exacte sinon on ne veillera plus, cependant il est essentiel d'observer la proximité de l'avènement. Toujours penser à ce que je peux faire de bien aujourd'hui car peut être que demain n'existera plus !



« ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” Efes. 5 : 16



Io principe io no antony nilazany ito verset ito :



Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.

Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.

Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy”. Matio 24 : 31 - 33



Mario tsara ny teny hoe « lohataona » fa misy dikany (izay ilaintsika ao aoriana kely ao ny heviny. Littéralement : The head of the year = Rosh HaShana = Fête des trompettes)



Conclusion : Raha ny hevitry ny Baiboly no takarina dia azo atao tsara mihintsy zany ny mamantatra sy mandinika hoe efa akaiky ve ny farany ? Efa akaiky sahala amin'ny ahoana ?

Tsy dia ilaina anefa ny mitady daty manokana vao hino hoe tena efa akaiky ny farany. Izay tsy fahafantarana daty izay no mahatonga hiomana mandrakariva.



Valin'ny fanontaniana napetraka etsy ambony : Eny, zava-dehibe ny fandinihina ny andro farany satria mampiomana antsika tsy ho variana. Mila miomana hatrany isika satria tampoka tsy ampoizina no ahatongavany (tahaka ny mpangalatra). Vakio ny Lioka 21 : 31 – 34.



Tandremo anefa fa maro ny mpamitaka sy ny fanahin'ny famitahana zay efa miparitaka manerana izao tontolo izao (l'esprit de séduction)...cf. Ny tohiny...chapitre suivant.

1 commentaire:

  1. Izaho tompoko dia kristiana, ary mino fa ho avy am-boninahitra JESOSY KRISTY- ary hitsena Azy eny @ rahon'ny lanitra isika hanatrika ny fampakaram-bady zanak'ondry-ny olona tsy mino kosa dia hiatrika ny fahoriam-be. satria hitondra eto antany ny Bibidia sy ny miaramilany didy jadona- izay mitondra ny marika 666- koa dia mila miambina tokoa isika: mivavaka isan'andro sy mamaky Tenin'Andriamanitra isan'andro-koa raha ho avy ny Zanak'Olona moa ahita Finoana ety ambonin'ny tany va Izy...?

    RépondreSupprimer