Objectifs


  • Vitsy loatra (misy ve?) ny site gasy miresaka an'ireo thèmes ireo kanefa dia zava-dehibe loatra ho an'i kristianina ny mahafantatra tsara tsy mihambahamba ny zava-misy marina sy iainana @ izao andro ankehitriny izao. Fa nahoana hoy ianao no zava-dehibe izany ?  
  • Araka ny tsapanay dia maro @ olona (kristianina ohatra) no tsy dia mahalala na tsy dia mandalina loatra ny andro farany (eschatologie au point de vue biblique) sy ny tranga maneran-tany hizoran' ny tantaran'ny olombelona (lecture critique des faits et histoires remarquables des Hommes, signes de la fin des temps); tena ilaina anefa izany : adidy sy andraikitra (c'est un devoir) ; satria mampihorim-paka ny Finoana sy mampitombo ny Fanantenana ;
  • Fa indrindra miaro anao sy ny fianakavianao tsy ho voarebireby sy voafitaky ny olona ratsy sitrapo (jereo @ Google : « pénétration de l'occulte au quotidien »). Maro izy no malaza eto M/car fa tsy ho tanisaina eto. Ataon'ny olona sasany fitadiavambola ny famonjena ankehitriny.

  • Tsy dia miasa saina @zany fandalinana ny Eschatologie izany ny kristianina malagasy maro satria mihevitra fa rehefa miangona isaky ny alahady dia ampy izay. Misy ary moa mihevitra fa tsy mila miangona akory. Matoa ianao mbola mamaky ito soratra ito dia mbola tsy tara loatra izao ny mibebaka marina sy miverina @ Jesoa Kristy Tompo ary mihezaka miaina @ fahamarinana (vivre dans la justice et la vérité).

  • Ny Soratra masina dia mitaona antsika hiambina mandrakariva... sy ho mailo…
Miambina inona hoy ianao ? Na miambina @ inona ? Na miambina ahoana ?
Misy antony matoa ny Soratra Masina milaza izany. Inona ary le antony ?

  • Mizara fahalalana maimaimpoana satria nahazo maimaimpoana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire